Afghanistan : Nandefa tafika tany i Washington sy i Londres
Nogiazan’ny taliban indray ny tanànan’i Hérat ao Afghanistan ny zoma teo. Nanmpitaintana ireo firenena tandrefana ny fihaingam-padehin’ireo Taliban ireo. Nanahy ireo loharanom-baovao ao amin’ny masoivoho américain ao an-toerana fa ho vitan’ny ireto farany ny hibodo an’i Kaboul ao anatin’ny 30 andro.
Manoloana izany dia nandefa tafika 3000 mahery i Etats-unis hanampiana hiaro ny fialan’ireo mpiasa sasany ao amin’ny masoivoho. Mbola nisy miaramila 650 sta an-toeran tao alohan’io saingy tsy maintsy nandefa miaramila 3500 hafa nakao Koweït manoloana ny toe-draharaha miharatsy.
