Miverina tsikelikely ny orinasa afaka haba mpamokatra lamba
Miarina tsikelikely ny orinasa eto Madagasikara indrindra ny orinasa mpamokatra lamba na ny « industrie de textile » rehefa nandalo ny krizy nateraky ny valanaretina Coronavirus ny taona lasa teo.
Nahitana fihenana ny fanjifan’ny mpandraharaha avy any ivelany ny vokatra teo amin’ny orinasa mpanambotra lamba ny taona 2020 lasa teo raha oharina ny taona 2019. Maro ny vahaolana nataon’ireo tompon’ny orinasa afaka tamin’ny krizy nateraky ny coronavirus toy ny fanenana ny mpiasa niasa na ny nanankatonana ny orinasa mihgitsy aza. Ankehitriny dia efa miha mahazo aina ny sehatry ny fanamboarana lamba sy akanjo eto Madagasikara rehefa niverina nisokatra ny lalam-barotra ary indrindra rehefa nanomboka nahasarikan’ny orinasa famokarana lamba avy ivelany.
Nilaza i Thierry Rajaona, filohan’ny fivondronan’ireo orinasa eto Madagasikara fa : « Ny fanarenana ny toekarena dia efa manomboka hita taratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fanjifana ny vokatra entan-toerana koa dia efa manomboka mivelatra any Etazonia sy Eropa indrindra fa ireo mpanjifa dia tsy mametra intsony amin’ny vokatra tena ilain’izy ireo famiditra amin’ny akanjo sy lamba ihany koa izy ireo ». Orinasa iray eto andrenivohitra manao ny famokarana lamba, nanambara fa efa mandeha tsikelikely ny fanafaran’ireo mpandraharaha any ivelany. Ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) koa nanamafy ny maha manatalenta ny mpanjaitra eto Madagasikara ka izany no mahasarika ny orinasa mpamokatra akanjo lehibe any ivelany eto.
Mivelatra hatrany ny orinasa afaka haba mpamokatra lamba sy akanjo eto Madagasikara ary isan’ny sehatra iray mampiakatra ny harinkarena faobe (PIB) an’ny firenena ihany koa izy satria ny fiatraikany amin’ny toekarena eto Madagasikara dia efa mahatratra 19,35 isan-jaton’ny PIB amin’ny vokatra eto anatiny. Mety voatazona hatrany ary ve izany firoboroboan’ny orinasa afaka haba izany?
Anja Raharimalala
