SocialTsidika

Fandoavan-ketra : Mitaky ny hetra talohan’ny taona 2019 ny kaominina Ambohimanambola

Namoaka fampahafantarana ny Kaominina Ambohimanambola mikasika ny fandoavan-ketra any amin’ny Fokontany Gara sy Ampahimanga ary Tanjonandriana. Nisy ny fandaminana napetraka ka ao amin’ny varavarana faharoa ao amin’ny Kaominina ambany rihana no handoavan’ireo mponina amin’ireo Fokontany ireo ny hetra.

« Tsara ny olom-pirenena raha mizaha fandrosoana sy mahalala ny fiainan’ny Kaominina, ary mandoa hetra mandritra izao iray volan’ny fandoavan-ketra izao » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka manatona ireny mpanentana manao fanamiana Mavo sy mitondra Badge ireny isika na manantona avy hatrany ireo tompon’andraikitra ety amin’ny kaominina » hoy ny ben’ny tanànan’Ambohimanambola. « Raha samy mandoa hetra avokoa ny olona dia azo antoka ny fampandrosoana ny firenena » hoy i Renaud, mponina ao Ambohimangakely.

Etsy an-kilany anefa, tsy vitsy ireo nitaraina fa efa sahirana amin’ny fiainana kanefa mbola handoa hetra indray. Ny fanjakana aza no tokony hizara vola azy ireo ka izy indray no handoa vola amin’ny fanjakana. Marihina fa trosanketra tsy voahefa talohan’ny taona 2019 izao hetra takiana any an-toerana izao. Hanao ahoana ny tahan’ny fandoavan-ketra ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire