ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nirosoana ny fanamboarana ny lalana ao amin’ny fokontany Ambohipeno

Niroso tamin’ny fanamboarana ny lalana ao amin’ny fokontany Ambohipeno ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Ambohimanambola. Fanamboaran-dalana izay hanamorana ny fampidirina ireo milina hamokatra herinaratra, an’ny orinasa jirama izany, araka ny voalaza.

« Mitohy ny asa fanamboarana làlana ho an’ny fokontany ambohipeno. Hisy ireo milina lehibe hiditra ao amin’ny toby famokarana herinaratra jirama Ambohimanambola. Manano sarotra ny fitondrana azy ireo ka noho izay no hanatsarana sy hanamboarana ny làlana. Hanamora ny fitaterana, ny famoahana vokatra sy ny fivezivezen’ny mponina ny fahavitan’ny lalana » hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra.

« Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny fandraisana fepetra mahakasika ity lalana ity. Tena maro ireo mahita tombotsoa amin’ny fahavitan’io lalana io fa tsy ny orinasa jirama ihany fa ny mponina ihany koa. hanamora ny fivezivezena sy ny famoaham-bokatra izany » hoy i Liva, mpanangom-bokatra.

Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny faritra iray ny fanamboaran-dalana. Tsy tokony ataon’ny tomponandraikitra ambanin-javatra izany. Ho an’ny kaominina Ambohimanambola manokana, maro ireo lalana simba izay mampitaraina ny mponina eny amin’ny fokontany ka tokony hitondrana fanamboarana.

Laisser un commentaire