France : Samy manana ny mampiavaka azy ny « parkour » sy ny « free running »
Samy « art de déplacement » ny « parkour » sy ny « free running ». Mamaritra fitsipika roa miavaka tsara nefa izy ireo izay samy manana ny tanjony ihany koa na dia hevrina tsy mifanalavitra aza.
Ny « parkour » dia noforonin’i Hubert Koundé sy David Belle tany amin’ny taona 1998. Mifindrafindra haingana sy mahaomby na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra no tanjona aminy ary mamelatra ny fahaiza-manao ara-batana sy ara-tsaina ihany koa.
Ny « free running » indray dia noforonin’i Guillaume Pelletier tany amin’ny taona 2003. Manome vahana kokoa ny fahatsaran’ny fihetsika sy ny « grâce » ary ny « fluidité » ny « free running ». Mivezivezy malalaka amin’ny endrika kanto eny amin’ny tontolo rehetra eny no tanjon amin’ity farany.
