RN7: Asiam-panamboarana ny lalana PK 471+100
Tonga nijery ny fahasimbana eo amin’ny PK 471+100 ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa vaventy. Niteraka fiatoan’ny fifamoivoizana ny fahasimban’ny lalana izay mampitohy an’i Ambalavao sy Ihosy. « Hijery ny vahaolana entina hamerenana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahafito RN7 izahay. Hisy ny fametrahana ny « pont Mabey » eto amin’ity toerana ity » hoy ny Ministry ny Asa Vaventy, Hatrefindrazana Jerry. “Tena manana toerana lehibe amin’ny mpampiasa lalana mihitsy ny fahavitan’ity tetezana ity. Efa tonga eto Iarintsena ireo fitaovana handrafetana izany tetezana izany. Hanomboka ny asa fanamboarana” hoy ny Solombavambahoaka voafidy tao Ambalavao Tsienimparihy, Razafimahatratra Christian. Hiverina tsy ho ela araka izany ny fifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena fahafito iny.
