Thaïlande : Novidian’ilay « transgenre » Anne Jakkaphong Jakrajutatip ny fifaninana « Miss Univers »
Mpandraharaha mpanefoefo i Anne Jakkaphong Jakrajutatip. Irony « transgenre » na olona niova fananahana irony ny tenany. Novidiany 20 tapitrisa dollars ny orinasa mpikarakara ny fifaninana « Miss Univers » ary mametraka azy eo amin’ny toeran’ny vehivavy voalohany hitantana io fifaninana io izany.
Tsy misy vina amin’ny fahitalavitra ao Thaïlande intsony i Anne Jakkaphong Jakrajutatip izay mitolona ho an’ny zon’ny LGBT. Lehiben’ny vondrona haino aman-jery « JKN Global » izy ary mpanolotra fandaharana « Project Runway ». Arakin’ny gazety Forbes kosa dia mahatratra hatramin’ny 170 miliara dollars ny fananan’i Anne Jakkaphong Jakrajutatip.
