ActualitésTsidika

Alasora: Hohamoraina ny fikarakarana taratasy ao amin’ny kaominina

Hisy ny fiovana eo amin’ny fandaminana ny fikarakarana taratasy toa ny fanaovana kopian’ny sora-piankohonana, fahaterahana, mariazy ary fahafatesana ao amin’ny kaominina Alasora, manamboka izao. Ho mora ary tsy handany fotoana intsony ny fikarakarana ireo taratasy ireo, araka ny voalaza.

 » 5 ka hatramin’ny 10 minitra ihany no fe-potoana hakana ny kopia eto amin’ny kaominina, manomboka izao. Tsy miandry iray andro toy ny teo aloha intsony ireo mpikarakara taratasy tonga eto amin’ny kaominina » hoy ireo tomponandraikitra ao an-toerana.

 » Nanomboka ny taona 2022 no nampiasa ny fitaovana (logiciel) fampiasa ho an’ny sora-piankohonana ny kaominina ka ny 50% no efa tafiditra ao anatiny. Ezahina ho vitaina amin’ity taona ity kosa ny fampidirana ny ambiny » hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina ho fitsinjovana ny vahoaka amin’ny fandaniam-potoana amin’ny fivezivezena sy ho an’ny fampandrosoana moa izao, izay efa tanjona napetraky ny kaominina ihany koa.

Manitra R.

Laisser un commentaire