Matsiatra Ambony : Fanamboarana ny trano fitehirizam-bokatra
Efa mandroso ny asa fanamborana nytrano fitehirizam-bokatra na ny GCV any amin’ny kaominina Andonaka, faritra Matsiatra Ambony.
Mandeha tsikelikely ny famitana ny trano fitehirizam-bokatra any Matsiatra Ambony izay mahazaka vokatra hatramin’ny 100 taonina ny iray. Miisa 7 moa ireo trano fitehirizam-bokatra ireo izay natolotry ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompana tamin’ny alalan’ny « Programme DEFIS » izay vatsian’ny FIDA vola ho an’ireo faritra ao anatin’ny fivondronam-paritr’i Fianarantsoa.
« Tena mahafaka ny fahasahiranana anay mpamboly aty ifotony ny fanamboarana ity trano fitehirizam-bokatra ity mba ahafahanay mitahiry tsara ny vokatray » hoy ny Georges tantsaha iray any an-toerana. Nilaza kosa ny mpandrindra nasionalin’ny fandaharanasa DEFIS fa mizara telo ireo faritra ao Fianarantsoa hisitraka ireo trano fitehirizam-bokatra ireo dia ny 3 ao Matsiatra Ambony, ny 2 ao amin’ny faritra Amoron’i Mania ary ny ambiny ao amin’ny faritra Ihorombe. Mbola vonona ny hanampy ny tantaha hatrany moa raha ny ao amin’ny fandaharanasa DEFIS na amin’ny fametrahana ny Grenier Commun Villageois (GCV) na amin’ny fanamboarana tohadrano hoy hatrany ny mpandrindra nasionaly.
Tena hanampy ny tantsaha amin’ny fanangonam-bokatra tokoa ireo fitehirizam-bokatra vao amboarina ireo mba hanamora ny fitantanana ny vokatra indrindra mba hamantarana ny vokatra miakatra isan-taona. Mila hitarina koa anefa ity fandaharanasa ity ka mba hisitraka azy daholo ny faritra tsirairay manerana ny nosy.
Anja Raharimalala
