Alasora : Nahasarika ny mponina ny nijery ireo jiro mandravaka ny tanàna amin’ny alina
Nanomboka tamin’ny Sabotsy 10 Desambara teo no nanomboka nisokatra ho an’ny rehetra ny hetsika izay hampirantina ireo jiro mirehidrehitra, mandravaka ny tanàna, izay natao tao amin’ny tokotanin’ny kaominina Alasora. Tonga maro ireo olona niala voly sy nijery, nandritra izany.
« Fotoana miavaka entina hankalazana ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona no nametrahana ireo jiro eto an-toerana tahaka izao. Eo ihany koa ny famalifaliana ny vahoaka, sy hahafahana mankalaza ireo fety ampitsikiana sy hampiala voly ny rehetra » hoy ireo tomponan’andraikitra ao amin’ny kaominina.
« Mahafinaritra ny tahaka izao satria mba miala voly, miala amin’ny mahazatra ihany koa. Efa be loatra ireo olana sy rotoroto andavan’andro ka izao no mba fananararaotana sy itondrana ny ankizy, ny fety ihany koa efa manakaiky” hoy I Sandra, mponina ao Alasora.
Hitohy hatrany moa ity hetsika ity mba hahafahana mampianoka ireo mponina amin’ny fankalazana ireo fety amin’izao volana izao, raha ny voalaza hatrany.
Manitra Ramanantsoa
