YLTP: Hifarana ny 15 desambra izao ny fisoratana anarana.
Dépêche 13 décembre, 11h, Inona moa ny YLTP? Toeram-pampiofanana iray mahakasika ny fahaiza-mitarika izy io na ny hoe “leadership”. Ny tanora rehetra manomboka amin’ny 23 ka hatramin’ny 35 taona no hantsoina indrindra hiatrika izany. Efa misokatra ny fisoratana anarana ary hifarana ny 15 desambra izao. Toeram-pampiofanana iray efa namoaka andrarezina maro eto amin’ny firenena izy ary ny tanjona amin’izany dia mba hahafahan’ireo tanora mitondra fanovana sy fomba fiasa mahomby eo amin’ny sehatra misy azy sy hiasany. Teknika sy fomba fanao maro be no hatolotra ao amin’ny YLTP ary tena ilaina izany indrindra ho an’ireo izay maniry hitarika olona indrindra ireo izay te ho lasa mpandraharaha.
