Dépêches

Ambatondrazaka : Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana

18 Martsa, 11h30. Tovovay mpianatra iray hamonjy fidirana amin ´ny 06 ora maraina no tratran ´ny sinto-mahery teo amin’ny « rond point » teknika io maraina io raha ny fampitam-baovao ny mponina ao an-toerana. Finday no lasany tamin’izany ary nojerem-potsiny ilay mpangalatra nandositra nihazo ny lalana Amparihikely. Tsy andro tsy alina fa mitaintaina foana ny olona hoy ny mponina tao an-toerana. Niantso ny manam-pahefana izy ireo hijery akaiky ny zava-misy.

Laisser un commentaire