Alasora : Mitohy ny fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina ao amin’ny fokontany Est-Mahazoarivo
Mitohy ny asa fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina kitra, ho an’ny tanora ao amin’ny fokontany Est-Mahazoarivo, kaominina Alasora amin’izao fotoana izao. Mandroso ny araka ny tokony ho izy ny fanamboarana ny kianja ao an-toerana, raha ny voalaza.
« Etsy ankilan’ny fanamboarana ny kianja synthétique ao amin’ny fokontany Ambohidrazaka, dia efa mandroso ihany koa ny fanmboarana ny kianja filalaovam-baolina etsy amin’ny fokontany Est-Mahazoarivo. Izany moa no atao dia mba hanomezana sehatra ny tanora sy ny fanatanjahan-tena eto an-toerana” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
« Ilain’ny tanora ny kianja filalaovam-baolina ary tsara ilay fanapahan-kevitra amin’ny fanamboarana sy fananganana kianja tahaka izao. Tsy tokony ny taranja baolina kitra ihany anefa fa tokony omena sehatra ihany koa ireo taranja hafa, indrindra ny any amin’ireo isam-pokontany » hoy i Toky, mponina ao Alasora.
Taratry ny fampivoarana ny fijerena ireo sehatra rehetra misy mandrafitra ny kaominina iray. Ny tontolon’ny fanatanjahan-tena dia anisan’izany ary ny ankabeazan’ny tanora dia misehatra ao anati’izany ka tokony tohanana sy omena lanja mandrakariva.
Manitra Ramanantsoa
