SocialTsidika

Ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona ho avy izao ao amin’ny Stade Barea Mahamasina

Efa eo andalam-pamaranana ny famitana ny Stade Barea etsy Mahamasina ireo tompon’andraikitra misahana izany amin’izao fotoana. Raha tsiahivina, novinaina ho vita ny 2 jona teo ity kianja etsy Mahamasina ity saingy mbola mitohy anefa ny fanamboarana hatreto. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra amin’izao fanamboarana izao anefa, efa miroso amin’ny famaranana izy ireo ankehitriny ary vita mialohan’ny 26 jona izany. Efa afaka andraisana ny hetsika rehetra izay vinaina ho atao amin’ny andron’ny fankalazana ny faha-61 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara noho izany ity kianja ity. Fety iray izay anisany tena manamarika antsika malagasy ny fetin’ny 26 jona anefa na izany aza tsy tokony ho adinoina fa mbola misy fahavalo tsy hita maso any ka sao ny fankalazana sy ny fety be indray no hampiverina azy. 61 taona niverenan’ny fahaleovantena anefa toa mbola tsy hita taratra mihitsy hatreto fa tena efa mahaleo tena i Madagasikara. Ny ankamaroan’ireo fotodrafitr’asa atsangana ihany koa fanampin’izay toa maka tahaka ireo an’ny vahiny ary ny ankamaroany tsy natao ho takatr’ireo sarambambem-bahoaka izay tena mila fanohanana amin’izao.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire