ActualitésTatitra

France : Tanora nandika lalàna nentina nitsidika toby miaramila

Nentin’i Dupond-Moretti, ministry ny fitsara,na nitsidika toby miaramila ireo tanora nandika lalàna teo amin’ny fiaraha-monina (délinquant) ny faran’ny herinandro teo, tao Bretagne. Efa tamin’ny fanendrena azy ho « Chancellier » izy no nanambara tamin’ny vaomieram-pirenena misahana ny lalàna ao amin’ny antenimieram-pirenena fa tsy hampihena ny fanidina ireo tanora ireo amin’ny fitsidihana toby miaramila mba ahitana ny fiainan’izy ireo.Tanora enina no 14 haramin’ny 17 taona no nentiny tao amin’ny sekoly miaramila Saint-Cyr Coëtquidan ao Morbihan. Hijanona domy herinandro ao amin’io toerana io ireo tanora solafaka teo amin’ny fiainana ireo. Hanaraka ny fampianarana miaramila izy mandritra izany.

Laisser un commentaire