Basket-ball Africa League : Hifanandrina amin’i Rwanda indray ny GNBC
Mbola anaty lalao hiady amin’ny voninahi-pirenena hatrany isika izoa amin’ny lalao Basket-ball Africa League ka any Rwanda no anatanterahana izany. Tontosa ny alatsinainy alina teo ny lalao voalohan’ny hop an’ny ekipam-pirenena Malagasy izay nifanandrina tamin’ny US Monastir Tunisie. Ny Gendarmerie Nationale Basket-ball Club na ny GNBC no nisolo tena ny firenena any. Mbola mila ezaka ihany ny ekipa raha ny lalao tamin’ny alatsinainy no jerena. Androany Alarobia 19 may indray ny lalao faharoa ho an’izy ireo izay hifandonany amin’ny mpampiantrano Rwanda. Resy 66 noho ny 113 ny ekipantsika tamin’ny lalao farany ary mitana ny laharana farany ao amin’ny vondrona A misy azy ny GNBC amin’izao. I Rwanda anefa tafiditra ao amin’ny laharana faharoa ao amin’ny Vondrona A ary nandresy tamin’ny lalao voalohany izay nifanandrinany tamin’ny Rivers Hoopers Nigeria tamin’ny isa 83 noho ny 60. Mila fankaherezana avy aty amintsika vahoaka Malagasy araka izany ny ekipantsika hiantrika izao lalao izao. Amin’y 23 may indray ny lalao fahatelon’ny Ekipam-pirenena malagasy ka hifanandrina amin’ny Rivers Hoopers Nigeria.
Nicole Rafalimananjara
