ActualitésTsidika

Miakatra ny haavon’ny alon-drano any amin’ny morotsiraka atsimo

Tokony hitandrina ny rehetra any amin’iny faritra atsimo iny mahakasika ny haavon’ny alon-drano izay voarain’ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro androany alarobia 19 may. Hisy fikorontanana ny ranomasina amin’ny morontsiraka atsimon’ny nosy noho ny fiavian’ity alon-drano vaventy na antonony avy any atsimo. Mitodika any amin’ny mpifamoivoy an-dranomasina sy ny mpiala voly eny amin’ny morontsiraka araka izany ny fampitandremana ary mila mailo hatrany manoloana izany. Tsy tokony hiandriaka mihitsy aza aloha manomboka rahampitso raha azo atao. Hikorontana ihany koa ny toetry ny ranomasina amin’ny morontsiraka atsinanana manontolo manomboka rahampitso alakamisy hatramin’ny fiafaran’ny herinandro. Anton’izany ny fahazoan’ny tsioka alizay vahana satria mahatratra eo anelanelan’ny 40 hatramin’ny 50 km/ora ny tafio-drivotra hoy hatrany ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Iangaviana noho izany ny mpampiasa ranomasina indrindra ny mpanjono madinika mba tsy hiandriaka amin’ireo toerana ireo mandrapaha-foana ny tandindon-doza ary hanaraka tsy tapaka ny toro-mariky ny manam-pahefana eny ifotony. Mety hananika hatramin’ny 2,5 hatramin’ny 3,5 metatra ny haavon’ny onja raha ny vinavina nataon’ireo manam-pahaizana momba ny toetr’andro.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire