ActualitésTatitra

France : Tsy hisy ny fanapoahana afomanga ao Nîmes ny 14 jolay izao

Hankalaza ny fetim-pireneny ny 14 jolay izao i France. Manoloana izany dia hisy ny fanankalazana maro samihafa saingy nanao fanambarana ny Nîmes fa tsy hanapoaka afomanga izy ireo. Antony ny fiantrehana ny hain-tany sy ny ady amin’ny mety ho tranga fahamaizana raha ny fanazavana.

Tsy midika nefa izany fa tsy hankalaza ny fetim-pirenena ny tanàna hoy ny tompon’andraikitra. Ho solon’ny afomanga dia « drones » 200 isa no handravahana ny lanitra ao an-toerana ny andron’io fankalazana io. Hanomboka amin’ny 10 ora sy sasany alina ny fampisehoana ary haharitra 20 minitra. Ao amin’ny Jardins de la Fontaine kosa no hanainga eny amin’ny habakabaka 100 metatra miala ny tany ireo « drones » ireo.

Nampanantena seho miavaka ny tanàna ary entina hanehoana io fanovana io fa miady amin’ny olan’ny toetr’andro i Nîmes hoy ny delege lefitry ny fety sy tolon’omby (tauromachie) ao an-toerana, Frédéric Pastor.

Laisser un commentaire