Olona 33 saika hiondrana an-tsokosoko any Mayotte
Isan’ny tena mampiditra ny aretina eto Madagasikara ny nanamorona ny sisin-tany. Ary izany indrindra aza no tena niidran’i Variant Afrika atsimo teto amintsika satria goragora loatra ny sisin-tany hany ka izay hiditra dia miditra. Netsehan’ny fanjakana araka ny Foloalindahy, indrindra fa ny teo anivon’ny Tafika an-dranomasina hiaro izany faritra izany amin’ny fomba rehetra. Isan’ny tena nakarakara ny tany amin’ny tapany avaratry ny nosy iny noho ny fahitana ireny mpivahiny telo saika hiditra an-tsokosoko ireny. Fantatra indray izao fa mpandeha miisa 33 no saika handeha hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte ny Alakamisy 15 Aprily lasa teo tany Nosy Be. Nongiazana avy hatrany ny sambokely ary natolotra teo an-tanan’ny zandary izy 33 mianadahy avy ho hadihadihana. Nanjary toeram-pilalaovan’ireo tambajotra mpanondrana olona an-tsokosoko ho any amin’ny nosy rahavavy ny ao Nosy Be amin’izao. Mila arahi-maso hatrany araka izany iny tapany avaratra iny indrindra amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao mba tsy hampitondra faisana ny firenena indray tahaka ity Variant Afrika Atsimo ity.
Nicole Rafalimananjara
