SocialTsidika

France : Ny bevohoka sy ireo tanora marary, hipoka ny toerampitsaboana

Toy ny amin’ny firenena sasantsasany maneran-tany, tsy mitsaha-mitombo ireo olona mararin’ny coronavirus ao France andro vitsy lasa izao. Raha ny ao amin’ny hopitaly ao Seine Saint-Denis, akaikin’i Paris manokana, latsaky ny 43 taona avokoa ireo olona voamarina fa marary ka mila fanaraha-maso. Mitondra vohoka kosa ny roa amin’izy ireo. Tranga izay tsy mbola fahita raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa ka mihorohoro ireo mpitsabo. Etsy ankilan’izay ihany koa ny faharerahana manoloana ny fahafenoan’ireo hopitaly ao an-toerana amin’izao fotoana. Voatery manampy fandriana amin’ny trano fameloman’aina ireo mpitsabo. Toy ny ao amin’ny hopitaly Delafontaine, mitoetra amin’ny departemanta mahantra indrindra ao France, miisa 26 ireo fandriana ao amin’ny trano fameloman’aina (izay feno avokoa) raha toa ka 18 izany teo aloha. Efa azo lazaina ho tafiditra amin’ny onja fahatelon’ny valanaretina coronavirus i France amin’izao fotoana. Mbola mitohy hatrany anefa ny fanaovam-baksiny ireo olona maherin’ny 70 taona amin’izao fotoana. Vinavina ihany koa ny hanatanterahina izany amin’ireo salan-taona ambany.

Laisser un commentaire