SocialTatitra

Etats-Unis : Maty tamin’ny lozam-piaramanidina i Petr Kellner (olona manan-karena indrindra ao amin’ny République Tchèque)

Nodimandry taorian’ny lozam-piaramanidina nahazo azy ny asabotsy 27 martsa lasa teo, tao Alaska i Petr Kellner, lehilahy manam-bola indrindra ao amin’ny République Tchèque, hoy ny mpitondra teniny tamin’ny AFP ny alahady 29 martsa. Manodidina ny 16 miliara dolara (64 000 000 tapitrisa ariary) ny fanananan’ity lehilahy ity raha ny fanazavana. 56 taona izy izao maty izao. Olona tsy dia tia nisehoseho teo amin’ny fiaraha-monina izy na teo aza ny fananany harena hoy ny mpitondra teniny. Nanambara i Jitka Tkadlecova, mpitondra teny avy ao amin’ny vondrona PPF noforonin’andriamatoa Kellner fa efa nosokafana ny fanadihadiana mahakasika ny antony marina nahatonga ilay lozam-piaramanidina. Ankoatr’i Petr Killner, olona 5 ihany koa no maty nandritra io loza io. Andrasan’ny maro an’isa ao amin’ny repoblikan’i Tchèque araka izany izay ho valin’ny fanadihadiana hataon’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny mahakasika ity raharaha ity.

Laisser un commentaire