SocialTsidika

Ambohimanambola : Masiaka amin’ny fahasalamam-bahoaka ny kaominina

Entitra hatrany ny kaominina Ambohimanambola amin’ny fanajana ny fihetsika ara-pahasalamana ho fiarovana amin’ny covid-19. Tsy azo atao ny tsy manao arotava alohan’ny hidirana ao anatin’ny biraon’ny Kaominina ary indrindra ny mivezivezy ao anatin’ny Kaominina.

« Tena tokony ho malina hatrany isika amin’izao fotoana izao, rehefa tsy hanao vaksiny ihany dia tsy aleo miaro tena amin’ny fanajana ireo fiarovana ara-pahasalamana » hoy ny tompon’andraikitra ao Ambohimanambola. « Ny mpitondra ihany avy eo no omena tsiny hoe tsy nandray ny andraikitra kanefa raha miteny izy toa henoina fotsiny, tokony hanaja hatrany ireo fepetra omeny isika vahoaka satria ho fiarovana antsika ihany izany » hoy i Harilala, mpahay fiarahamonina. « Tena masiaka amin’ny fahasalamantsika mihitsy ny kaominina ka tokony hanaraka izany isika, marina fa mamay ny andro fa tokony hametraka ny fanaovana arovava ho lasa fahazarana isika ka tsy misy olana io » hoy i Felana, mponina ao Ambohimanambola.

Mponina lavitry ny aretina no tena tanjona satria raha salama isika vahoaka dia afaka mampandroso hatrany ny firenena. Ny vahoaka manaiky ny mpitondra efa niaraha-nifidy ary ny mpitondra manampy hatrany sy manakaiky ny vahoaka ary miasa ho an’ny vahoaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire