ActualitésTsidika

8 Martsa : Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy

Ny 8 martsa no andro manerantany ho an’ny vehivavy, ho an’ny zon’ny vehivavy no marina kokoa. Ny hetsika an-dalambe nataon’ireo vehivavy tamin’ny taonjato faha-20 tany Europe sy Etats-Unis no niatombohan’ity andro ity. Manoloana ny zo mifidy sy ny zo amin’ny asa no tena nangatahana tamin’izany.

Nanomboka ny taona 1975 no natokan’ny firenena mikambana ho andro ho an’ny vehivavy ny 8 Martsa. « Andro natokana hijerena akaiky ny zon’ny vehivavy ny 8 martsa. Ny vehivavy no kitapo nifonosana sy loharanon’ny firenena. Rariny loatra raha misy ny andro atokana ho azy » hoy i Celestin, raim-pianakaviana. « Betsaka ny azo hanamarihana ity fetim-behivavy ity. Azo hanaovana fangatahana. Azo hanaovana tsiahy handinihana ny tsaratsara hatrany. Azo hanaovana fety hanomezana lanja ny vehivavy » hoy ny avy ao amin’ny firenena mikambana. Fotoana entina hampiroboroboina hatrany ny zon’ny vehivavy na kely na lehibe izao. Fotoana hampiharana ny miralenta izany hoe fitovian-jo eo ambany lalàna.

Ny fitoviana no isan’ny singa mitondra any amin’ny fandrosoana izany indrindra no lohahevitra iraisam-pirenena ho amin’ity taona 2022 ity. « Ny fitoviana anio no ho an’ny hoavy maharitra ».

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire