Ambohimangakely : Vita soa aman-tsara ny lalana ao Soamanandrariny
Vita soa aman-tsara ny lalana ao amin’ny fokontany Soamanandrariny. Anisan’ny lalana nampitaraina ny mponina tao an-toerana ity teo aloha, ka nitondran’ny tomponandraikitry ny kaominina Ambohimangakely fanamboarana, araka ny voalaza.
« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina sy famaliana ny fitarainan’ny vahoaka dia vita soa aman-tsara ity lalana eto amin’ny fokontany Soamanandrariny, Ambavahady Andrefana ity. Tsy tontosa anefa izany raha tsy teo ny fiaraha-mientana sy ny fifanomezan-tanana tamin’ireo mahalala tanana, indrindra fa ny mponina tety an-toerana » hoy ireo tomponandraikitra.
« Mbola maro ireo lalana mila fanamboarana raha ny eto Ambohimangakely. Tsy tokony hiandry fitarainana anefa ny tomponandraikitra vao handray fepetra satria hiankinan’ny andavan’andron’ny mponina io lalana io, ary tena manano sarotra ny fampiasana azy indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao » hoy i Rija, mponina ao Ambohimangakely.
Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana tokoa ny fiaraha-mientana sy ny firaisan-kina mba ho tombotsoan’ny rehetra. Manana anjara biriky avokoa ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana ny faritra misy azy.
