Gaza : Tratran’ny areti-mifindra avokoa ny 90% amin’ireo zaza latsaky ny dimy taona
Maherin’ny 90% amin’ireo ankizy, latsaky ny dimy taona, no voan’ny areti-mifindra, any Gaza, raha ny tatitra navoakan’ny vondron’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) sy ny fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny sakafo (PAM) ny alatsinainy teo. Nandritra ny roa herinandro nataon’ireto fikambanana iraisam-pirenena ireto ny tombana tany an-toerana, ny 70% amin’ireo zaza no tratran’ny aretim-pivalanana. Nitombo avo 23 heny ny tranga niseho ny taona 2022 izany, raha ny fanazavana. Ny hanoanana sy ny aretina dia zary fiainan’ireo mponina any an-toerana, vokatry ny ady. Miampy ny fitaintanana noho ny zava-misy izany ka manampy isa ny fahafatesana any an-toerana. Ireo zaza no tena lasibatra ao anatin’izany noho izy marefo sy mora andairan’aretina noho ny tsy fahampian-tsakafo sy ny rano fisotro madio.
