ActualitésTsidika

Iray volan’ny teny Malagasy: Homarihina amin’ny alalan’ny famoahana boky “loharanon’ny teny Malagasy”

Hiavaka tsy toy ny mahazatra ny fankalazana ny iray volan’ny teny Malagasy amin’ity taona ity. Izany iray volana izany izay hankalazaina isaky ny volana jona toy izao. Boky manana-danja lehibe no havoaka hanamarihana izany fotoana izany. “Loharanon’ny teny Malagasy”, izany no boky havoaka izay hanamarika ity volana ity.

“Ny lohahevitra moa amin’ity taona ity di any hoe “Teny malagasy, velona sy miaina ary mivoatra”. Araka izany dia tsy maintsy fantarina aloha ny nihaviany hahafahana mamelona sy mampivoatra azy. Angom-pikarohana mamondrona ny hevitry ny mpikaroka momba ny fototra niavian’ny teny malagasy izy io. Araka izany dia mpamnoratra maromaro no niara-nisalahy tamin’ny famoronana ny votoatiny”, hoy ny avy ao amin’ny minsiteran’ny Serasera sy ny Kolmontsaina.

“Boky nivoaka taorian’ny famakafakana ny boky “Fiandohan’ny Malagasy”, “Ny soatoavina malagasy”, sy boky mendrika natonta maimaim-poana mirakitra “sombintantara, tantara foronina ary tononkalo” vokatry ny fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora an-tsoratra 2022. Manana ny maha izy azy io ary azo hampiasaina ho an’ny olona rehetra tia handalina ny teny Malagasy”, hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny fototra iray hahafahana mampivoatra ny tena sy ny manodidina ny fahaizana manoratra teny Malagasy. Ilaina hatrany ny tenim-pirenena, vao mainka tsara raha hay hatramin’ny fiforonany. Fototra hahafahana mianoka ilay teny hoe “andrianiko ny teniko ny an’ny hafa koa feheziko” izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire