Tontolo iainana : Miaro antsika amin’ny loza voajanahary ny fambolen-kazo
Isan’ny vahaolana mba tsy hiverenan’ny fiakaran’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany tahaka izao ny fambolen-kazo. Ny fandripahana ala mihoa-pampana sy ny fanotorana lemaka tsy manaraka ny drafi-panajariana no mahatonga izao loza atrehintsika izao.
« Rehefa tsy misy ny hazo dia tsy misy mitazona ny nofon-tany. Tsy misy misintona koa ny rano » hoy i Ravo, manam-pahaizana mikasika ny tany. « Ny fambolenkazo dia mamerina ny rohivoahary amin’ny asany. Miaro antsika amin’ny loza voajanahary toy izao. Andao hamboly hazo maro be » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy.
« Malaky manome tsiny ny fanjakana foana isika rehefa misy loza. Ny tsy haintsika dia avy amintsika no tena mahatonga ny loza. Tsara raha arenina amin’ny fambolen-kazo ireo hadisoana nataontsika » hoy i Fidy, mponina ao Ankadifotsy. Mila miasa tokoa isika raha tena mila vahaolana. Tsy vitan’ny antso vonjy fotsiny sy ny fifanomezan-tsiny am-pitoerana fotsiny ny zava-misy ankehitriny.
Nicole Rafalimananjara
