Ampamarinana : Manentana ny mponina hiala eny ny mpitandro filaminana
25 Janoary, 11h00. Teny Ampamarinana sy ny manodidina ny Tafika miaraka amin’ny zandary sy ny polisy ny 24 janoary. Nanentana ny olona mba hiala eny an-toerana izy ireo. Tandindinon-doza amin’ny mety hihotsahan’ny ny tany araka ny fanambaran’ny BNGRC ny mponina eny. Ankoatran’ny asa fanentanana dia miantoka ny fandriampahalemana sy ny filaminana eny an-toerana ihany koa ny Tafika mba hisorohana izay mety ho fanararaotana.
