France : Hanome « prime » miavaka ny mpiasany ny TotalEnergies
Mitokona ny mpiasan’ny TotalEnergies ao France ka miteraka tsy fahampian’ny solika ao amin’ny firenena. Nanao antso avo ny orinasa ny minisitrin’ny toekarena ao an-toerana Bruno Le Maire manoloana izany mba hampitombo ny karaman’ireo mpiasa.
Minitra vitsy taorian’io fangatahan’ny minisitra io ihany dia nanao fampilazana ny mpitondra tenin’ny TotalEnergies fa hisy ny « prime » miavaka izay mira amin’ny karama iray volana omena ny mpiasan’io orinasa io rehetra maneran-tany. Harotsaka miankina amin’ny fifanarahana amin’ireo firenena sy sampana samihafa voakasik’izany kosa io « prime » io.
Amin’ny volana desambra kosa ny fizarana io « prime » io. Misy ny fepetra arahina amin’ny fahazoana izany izay tanterin’ny TotalEnergies amin’ny alalan’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety.
