Toetr’andro: Ahitana fidinany ny mari-pana amin’ity herinandro ity
Dépêche 14 juin, 14h, Hatsapana fihenana ny mari-pana manerana ny Nosy amin’ity herinandro ity. Ny tapany atsimo sy ilany atsinanana iny no tena hisongadinan’izany. Tsy hahatratra afatsy 23° hatramin’ny 36° ny mari-pana ambony indrindra manerana ny Nosy. Hisy faritra hahazo orana madinika, mety handrivotra ihany koa hatramin’ny zoma sy mandritra iny faran’ny herinandor iny. Mila miomana ihany koa amin’ny zavona izay mety hisy fitomboana isaky ny maraina.
