Maurice : Misedra tsy fahampiana ireo toerana fivarotam-panafody
Tsy ampy ny fanafody amidy amin’ireo toeram-pivarotana izany ao amin’ny nosy Maurice. Na ireo fanafody tsotsotra toy ny « doliprane » aza dia sarotra hita raha ny tatitra. Nilaza ny tompon’ny toerana fivarotam-panafody iray tao an-toerana fa rehefa manafatra fanafody izy ireo dia tsy araky ny isa nangatahana no azo.
Raha ny fanazavana kosa dia maneran-tany io olana io. Ny 80% ny fanafody dia vokarina ao Chine sy Inde kanefa tao anatin’ny roa taona mahery nisian’ny Covid-19 dia nanondrana sy nandany entana betsaka izy ireo. Manoloana izany dia mila mameno ny tahiriny ireo firenena ireo alohan’ny hamatsiana ny tsena iraisam-pirenena ary ireo firenena kely toy ny nosy Maurice dia mbola tsy loha-laharana amin’ny famatsiany amin’izao fotoana.
