ActualitésTatitra

France : Penina Bic lafo indrindra eran-tany

Iza no nieritreritra hoe penina avy dia misy tena lafo vidy ? 24 500 euros (113 tapitrisa Ar) ny vidin’ny penina lafo indrindra eran-tany. I Richard Orlinski sy ny Bic no niara-niasa namolavola azy. Misy loko 4 ny penina ary nopetahina diamondra 202 sy volamena 50 grama. Namidy nanomboka ny alarobia 13 oktobra teo ity fitaovam-panoratana ity ary mbola valo ihany no nivoaka tamin’izany.Maharitra 500 ora ity penina ity raha ny fanazavana ary misy karazany. Misy varahina tsy misy diamondra izay amidy 390 euros izy, ary misy volamena fotsiny amidy 11 500 euros. Efa namoaka penina volamena roa ihany koa izy ireo taona 2018 saingy nentina nanampiana ny fikambanana « L’enfant à l’hôpital » ny vola azo tamin’izany

Laisser un commentaire