Anosy avaratra : Nahazo fiara mpitatitra fako vaovao ny kaominina
Nahazo fiara fitaterana fako vaovao, fanampin’ireo efa azo ao an-toerana ny kaominina Anosy Avaratra. Ao anatin’ny tanjona napetraky ny kaominina, ny hanampy isa ireo fitaovana, entina hanalana ireo fako ao an-toerana sy hanaovana ny asa fanadiovana rehetra, araka ny voalaza.
“Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka fanampiana ny fitaovana eto amin’ny kaominina tahaka izao. zava-dehibe tokoa ny fananana izany satria manamaivana ny fandaniana eo amin’ny kaominina, amin’ny fanofana fiara hitaomana ny fako; eo ihany koa ireo fitaovana ireo ahafahana miatrika ny fanalana ny fako izay ateraky ny fitomboan’ny mponina” hoy ireo tomponandraikitra misahana ny fako avy ao amin’ny kaominina.
“Na eo aza anefa ny fahazoana ireo fitaovana, ilaina hatrany ny manentana ny rehetra, isan-tokatrano mba handoa ny hetra trano satria amin’ny alalan’izany vola izany no ahafahan’ny kaominina mametra ny vola ahafahana manala ny fako sy manao ny asa fampandrosoana isan-karazany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
Ilaina ny fandraisana anjaran’ny rehetra rah ate hampandroso ny kaominina. Ny tanàna madio ihany koa tanjon’ny kaominina ary tsy mitsahatra ny manentana ny amin’izany ny ao an-toerana mba hiara-hientana sy hiara-hiasa ahafahana manatanteraka izany.
