Ambositra : Namboarina ny lalana
Natomboka ny fanamboarana ny lalana mampitohy any Ambositra-Imady ary Ambalasoaray, izay mirefy 24 km. Lalana izay anisan’ny manan-danja any amin’ny faritra kanefa dia isan’ireo mampitaraina ny mponina noho ny haratsiny.
« Sakana tsy mampandroso ny tanàna iray ny faratsian’ny lalana. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny toe-karena tokoa mantsy izany » hoy i Fanoela, mpahay toe-karena. « Tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny filoha ity fanamboaran-dalana ity. Natao izao fanamboarana izao hialana amin’ny fahasahiran’ireo vahoaka sy hamoahana ireo vokatra any an-toerana » hoy ny Minisitry asa vaventy, Hatrefindrazana Jerry.
Antenaina mba hitondra fampandrosoana ho an’ny tanàna tokoa ny fahavitan’ity lalana ity. Anjaran’ny faritra kosa ny mikojakoja izany lalana izany.
Nicole Rafalimananjara
