Tsidika

Arivonimamo:  Renim-pianakaviana iray no nahiditra am-poja nohon’ny famonoana ny zanany

Tany Arivonimamo ,Distrikan’I Itasy no nitrangan’ity famonoana zaza ity. Renim-pianakaviana 28 taona no nandoro ny zanany  tamin’ny rano mangotraka . Ny mpitsabo no nanambara taorian’ny fizahana nataony fa nodorana tamin’ny rano ity zaza ity. Tsy fantatra ny antony nahatonga azy nanao izao  famonoana mifono abibiana izao fa kosa efa mandray an-tanana ny ny raharaha  ny mpitandro filaminana any an-toerana.

“ Zaza efa may nitsovaka tanteraka no tonga teto aminay. Raha araka ny hita nandritra ny fizahana natao azy dia vinavinaina ho notabasana tamin’ny rano mangotraka ity zaza ity. Somary lasa lalina ny famaizana saingy efa manao ny ezaka rehetra  izahay mpitsabo hitsaboana azy haingana .” hoy ny mpitsabo

“  Ny Fokonolona no nampahafantatra anay ny zava-doza nataon’ity reny ity ka nosamborina avy hatrany izy fa ilay zaza kosa nentina namonjy toeram-pitsaboana.  Mahatalanjona ny mahita reny niteraka mahavita fihetsika mamoafady tahaka izao.” Hoy ny zandary                                                               Ireo olona mpiray vodirindrina ihany koa dia tsy nahalala sy tsy nanatri-maso ny tena zavatra nitranga marina fa ny zaza efa ankon-dranomaso no nanaitra azy ireo. “ Tsy fantatray izay tena zava-nitranga tao an-tokatranony tao fa henonay manodidina ny hiakan’ilay zaza ka izay no antony nanaitra anay. Rehefa tonga tao izahay dia nahita ity reniny tsy rotitra akory mahita ny najo ity zanany ka avy dia namonjy ilay zaza sy niantso zandary”. Hoy I Nasolo  mpiara-monina aminy.                                                Antony maro no heverina ho nahatonga ny tranga tahaka izao: ao ny mety ho vokatry ny ady ao an-trano, ao koa ny tsy fitiavana fotsiny, ao ny mety ho fisian’ny olana ara-tsaina, mety koa nohon’ny tsy fisiana. Ny azo antoka dia mila arahi-maso akaiky ny fahasalamana ara-tsain’ity renim-pianakaviana ity fa misy olana any aminy any ka izay no mahatonga azy mampiatra herisetra feno habibiana toy izao amin’ny zanany naterany.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire