Toliara: Hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny faha-24 Jolay ilay tetikasa “Ceinture verte”
“ Ceinture verte” dia tetikasam-panjakana iray izay natao handrakofana ala any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy hiadiana amin’ny hain-tany ary ihany koa hanampiana tosika amin’ny fampihenana ny fiovaovan’ny toetr’anadro. Araka ny fanambarana dia hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny faha-24 Jolay ho avy zao ny tetikasa ka ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Belalanda ,Distrikan’i Toliara II Faritra Atsimo Andrefana no hanombohana azy. Ny banky iraisam-pirenena no manohana ity tetikasa ity ka vola mitotaly 26 tapitrisa Dolara no ho atolotr’izy ireo amin’izany. Ankehitriny kosa dia vola 922000 Dolara no efa vonona ka hanombohana ny tetikasa.
“ Faritra maro no ahazo tombotsoa amin’ny fahavitan’ity tetikasa ity toy ny Faritr’i Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Amboasary ary i Taolagnaro. Mandritra ny tetikasa dia velaran-tany manodidina ny 18122 ha no ho rakofana ala, aro rivotra mirefy 170km no atsangana, ary hanamboarana dongom-pasika miisa 18334. Raha ny fe- potoana napetraka dia aharitra5 taona ny asa fanamboarana.” Hoy ny teknisiana
“Tombotsoa maro no ho azo amin’ny fahavitan’ny tetikasa “ Ceinture verte” raha tsy ilaza afa-tsy ny fihenan’ny hain-tany izay mpahazo ny Faritra aty Atsimo, eo ihany koa ny tombony ara-tontolo iainana satria hanampy antsika hiady amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro ihany ko izy ity. Tsy natao itsonjovana tombotsoan’olon-tokana ity tetikasa ity fa tena ho fitsinjovana antsika ety ifotony koa antenaina fa hanohana sy ankasitraka izany isika rehetra. » hoy ny tompon’andraiki-panjakana.
Maro ny tetikasa an-dalam-panombohana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao araka ny fanambarana maro efa nivoaka. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : ho vita ao anatin’izay fotoana napetraka izay ve ny tetikasa ? Ary tena hahavaha ny olana izay marary ny vahoaka ety ifotony tokoa ve ?
Miranto Andrih
