Ouganda : Lehilahy iray miaraka amin’ny olona mitovy fananahana aminy no nampidirina am-ponja
Tovolahy 20 taona no voampanga noho ny « homosexualité aggravée » tao Soroti. Voaheloka niray ara-nofo tamin’ny lehilahy iray 41 taona ny tenany. Raha tsiahivina dia lalàna velona ny fandraràna ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana ao Ouganda taorian’ny faneken’ny filoha Yoweri Museveni izany ny volana may lasa teo. Marihina fa tsy ny fiarahana ihany no sazian’io lalàna io fa ny fampiroboroboana izany ihany koa.
Manoloana ny tranga dia voasambotra ilay tovolahy. Henjana ny sazy ho an’izay voampangan’io heloka io ao an-toerana, ary misy tonga hatramin’ny fanamelohana ho faty izany, na dia efa an-taonany maro aza no tsy nampiharina intsony izany sazy izany tao Ouganda.
Isany firenena mafy lalàna indrindra i Ouganda, ary manoloana io sazy henjana manoloana ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana io dia nanameloka ny firenena ho fanitsakitsahana ny zon’olombelona ny filoha an’i Etats-Unis, Joe Biden raha nampitsahatra ny famatsiam-bola ny tetikasa vaovao ao amin’ny firenena ny banky iraisam-pirenena ho fanoherana izany.
