Alaotra Mangoro : Trondro tombanana ho 250 kg avy ao amin’ny ranon’Alaotra no sarona
Fiara mpitatitra olona no nahatratrarana trondro manodidina ny 250 kg tao amin’ny lalam-pirenena RN3A ny talata 30 novambra 2021. Nalaina tao amin’ny farihin’Alaotra, ary saika ho aparitaka amidy eny amin’ny tsena eto an-toerana ireto trondro ireto, rehefa natao ny fanadihadiana, saingy tsy tratra ny tompon’ny entana.
« Tsy ara-dalàna ny fitrandrahana ka tsy maintsy tazominay aloha ireo trondro ireo ary ho atolotra ny voafonja ao Ambatondrazaka » hoy ny avy ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny Jono. « Nanomboka ny 25 oktobra 2021 no nihidy ny rano eto amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ary hiverina hisokatra ny 23 desambra 2021. Ao anatin’io fotoana io no manatody ireo trondro, ka tsy azo atao ny manjono na manarato ao amin’ny farihin’Alaotra sy ireo toeram-pitrandrahana hazandranomamy ao amin’ny faritra » hoy i Miotisoa, mponina any an-toerana.
Tsy voakasik’izay ireo dobo-trondro nomena fahazoan-dalana manokana fa manana alalana amin’ny azy manokana izy » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny faritra Alaotra. Betsaka tokoa ny mankafy ny trondro avy any Alaotra saingy ho fitsinjovana ireo tarana-trondro no nanaovana izany didy izany.
Mila manaraka ny fepetra napetraka isika mba hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena satria tsy adala akory ny tompon’andraikitra.
Nicole Rafalimananjara
