Fanolorana orinasa mpamatsy rano any amin’ny faritra atsimo ao anatin’ny Fondation Rajoelina
Tsy nitsahatra ny fanorenana sy fanokanana fotodrafitr’asa nataon’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny herinandro maromaro izay. Samy nahazo ny anjarany avokoa ireo faritra maro eto Madagasikara tao anatin’izany. Ankoatra izay koa, nitohy hatrany ny fitsidiham-paritra ataon’ny filoham-pirenena ka ny faran’ny herinandro no nanantanteraka ny fitsidihana iny faritra atsimon’i Madagasikara iny izy sy ireo mpnara-dia azy. Nandritra izay fandalovany izay, maro ireo vina sy tetik’asa nampanantenain’ny filoha fa ho tanterahiny sy ho antsangany any amin’iny faritra atsimo iny. Nampanantena noho izany ny filoha fa hametraka ary hanolotra orinasa mpamokatra sy mpamatsy rano ho ana distrika 5 any amin’ny faritra atsimo ao anatin’ilay tetik’asany Fondation Rajoelina. Ity orinasa ity araka ny nambarany, hamokatra rano madio 1,5 litatra amin’ny “sachets” isan’andro ary hamatsy ireo mponina 60 000 amin’ireo distrika dimy ireo. Atao anaty “sachets” ity rano ity ary handalo fanadiovana sy dingana maro mialohan’ny hampidirana azy ao. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana koa anefa, ka araka ny nambarany hatrany, haverin’ireo mpisitraka izany ny “sachets” mba ahafahan’izy ireo mahazo hafa indray.
Ally Herisoananahary
