Fanararaotana amin’ny fividianana fahana : Nanao fanaraha-maso ny ministera miahy ny varotra sy ny fanjifana
Nirotsaka an-tsehatra, nanao fanaraha-maso manerana ireo « cash point » maro dia maro manerana ny nosy ny avy ao amin’ny miniteran’ny varotra sy ny fanjifana, ho fampiharana ny rariny sy ny hitsiny ary ny lalàna manan-kery mba ho fitsinjovana ny mpanjifa. Nosinganina manokana ny tao amin’ny faritra Vakinakaratra, izay nahitana fanararaotana, fakana sarany ambonin’ny efa napetraka, araka ny voalaza. Nisy ihany koa ny fampitandremana nomena ireo mpivarotra fahana sy ireo cash point tao an-toerana.
« Ilain’ny mpanjifa ny mahafantatra avy amin’ireo orin’asam-pifandraisana mahakasika ilay sarany aloha amin’ny fividianana fahana. Misy ireo mpivarotra no manisy sarany ary misy tsy manisy ka manjary miteraka disadisa eo amin’ny mpanjifa sy ny mpivarotra » hoy i Daniel, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.
« Tokony misy manerana ny faritra rehetra mihitsy ny fanaraha-maso avy amin’ireo ministera ambony sy ny orinasam-pifandraisana ireo (opérateur) hahatratrarana ireo mpanararaotra sy tsy manara-dalàna mba ho fitsinjovana ny mpanjifa » hoy i Lanto, mponina Sabotsy Namehana.
Ny fampiharana ny lalàna no tokony hamafisina amin’izao tranga izao. Ary ny fanomezana sazy ireo mpivarotra tratra manao ny fanararaotana. Eo ihany koa ny fampahafantarana ireo mpanjifa ny sarany marina tokony aloha na tsia rehefa mividy fahana, na mandefa na mametraka vola anaty finday hiala amin’ireo mpanararaotra.
Manitra Ramanantsoa
