ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Manentana ny mponina amin’ny fanadiovana sy ny fahadiovana ny fikambanana Manova

Manentana ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ambohimalaza ny avy ao amin’ny fikambanana Manova, izay fikambanana avy ao an-toerana ihany, amin’ny fanadiovana sy ny fitandrona ny fahadiovana ao an-toerana. Nananteraka hetsika fanadiovana ny tanàna izy ireo tamin’iny herinandro lasa iny, ho fanentanana amin’izany.

“Anisan’ny tanjon’ny fikambanana amin’ny fanatanterahana ny hetsika tahaka izao ny fampivoarana ny mpiara-belona, indrindra eo amin’ny lafin’ny fahadiovana izay taratry ny fandrosoana. Hanova ihany ny toe-tsain’ny tsirairay ho tia fahadiovana, miala amin’ny loto sy ny toe-tsaina miiba izay sakana amin’ny fampandrosoana” hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny fikambanana Manova.

“Ilaina dia ilaina ny fandraisan’andraikitra ho an’ny tombotsoa iombonana. Anisan’ny modely azo halain-tahaka mba hisian’ny fifanana amin‘ny tsara ny hetsika tahaka izao  no mitondra fampandrosoana ary tokony ho tohizan’ny tsirairay” hoy ireo tomponandraikitra amin’ny fokontany.

Anjara andraikitry ny tsirairay ny mikajy ny fahadiovana, indrindra ny eo amin’ny tandrify azy. Ilaina ny fiaraha-mientana saingy ilaina ihany koa ny fahatsapan-tena ao anatin’izany fa tsy hiandry ireo tomponandraikitra hatrany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire