ActualitésTatitra

France : Mitondra ny tsimok’aretina covid-19 i Ed Sheeran

Nambara tao amin’ny Instagram i Ed Sheeran ny alahady teo fa niabo ny fitiliana Covid natao taminy. Mbola nanatrika ny famaranana ny « The Voice All Stars » nefa izy zoma teo raha ny fanazavana saingy nanazava ny mpamokatra ITV Studios France fa nanana « passe sanitaire » i Ed Sheeran. Nohajaina ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra nandritra ny fanodinana hoy izy ireo saingy nampandrenesina ihany ireo nifanerasera akaiky azy nandritra io fotoana io ary nohetaninana nanao fitiliana.Ilay mpifaninana niara-nihira taminy Terence James no efa nanao fitiliana ary namely fa tsy nitondra tsy tsimok’aretina. Noho io tranga io dia mihiboka i Ed Sheeran, tokony hivoaka ny zoma 29 oktobra izao nefa ny raki-kirany vaovao.

Laisser un commentaire