ActualitésTsidika

Heloka bevava : Nivoaka ny didy momba ilay raharaha famonoana karana ny taona 2020

Namoaka didy ny Fitsarana ady heloka bevava tetsy Anosy mikasika ilay raharaha famonoana tera-tany indo-pakistanais, Danil Radjan, tamin’ny taona 2020. Afaka noho ny fisalasalana ilay teratany frantsay Lionel Lelièvre sy ny namany teratany malagasy telo lahy, voarohirohy tamin’ity raharaha ity.

« Navoaka ny didy rehefa naverina nentina teo anoloan’ny Fitsarana ny porofo rehetra avy amin’ny mpitory sy ny voampanga. Fanamafisana ny didy efa nivoaka tamin’ny volana jona 2021 » hoy ny tompon’andraikitra. « Nofoanan’ny Fitsarana mpandrava didy ny raharaha noho ny tsy fahampian’ny singa tamin’ny antontan-taratasy nentina nanara-maso » hoy ny mpisolo vava ireo voampanga. Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina, ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ny fotoam-pitsarana tao amin’ny efitrano faha 5, ny 21 martsa teo. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire