ActualitésTatitra

Seychelles : Nosy Sainte-Anne, toerana tsara hialana sasatra

Any amin’ny 5 km miala ny sisintanin’i Mahé no misy ny Nosy Sainte-Anne. Tafiditra ao amin’ny Valan-javaboary an-dranomasin’ny Sainte-Anne izy io miaraka amin’ireo nosy manodidina, Cerf Island, Nosy Longue, Nosy Moyenne ary Nosy Ronde. 10 metatra an-tsambo miala ao Mahé ny toerana, mahatratra 2km ny halavany ary 1 km ny sakany.

Tafiditra amin’ireo vondro-nosy mandrafitra an’i Seychelles ny Nosy Sainte-Anne. Tena mampiavaka azy ny fahatsaran’ny haran-dranomasiny ka mahatonga ny fanaovana « plongée » ao an-toerana tena mahasarika. Kanto dia kanto ny toerana ary ahafahana miala sasatra miaraka amin’ny fianakaviana. Misy hotely avo lenta azo hivantanana miaraka amin’ny tolotra tsy manam-paharoa sy endrin-tanàna tena kanto.

Laisser un commentaire