Fifamoivoizana : Loza avy amin’ny fitondrana kodiran-droa no tena namoizana ain’olona indrindra
Manodidina ny 121 izao ny lozam-pifamoivoizana naharatrana sy namoizana ain’olona niseho nanomboka ny volana desambra hatramin’ny Martsa. Ny 99 tamin’ireo no naharatran’olona raha ny 22 no namoizana ain’olona.
« Mpitondra sy mpitaingina kodiaran-droa avokoa ny 13 tamin’ireo loza namoizana ain’olona misia 22. Mila handraisana fepetra lalina mihitsy ity kodiran-droa ity eto amintsika » hoy i Lanto, mpamily fiara. « Maro amintsika mpampiasa lalana no mody manaraka ny lalàn’ny fifamoivoizana satria ny polisy no atahorana. Vao dify ny polisy dia samy manao izay metimety aminy » hoy i Rado, mpitondra kodiaran-droa.
Isan’ny tena mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny tsy fanajana sy ny tsy fahafantarana ny lalàn’ny fifamoivoizana. Aleo misoroka toy izay ny aina no afoy na ihany koa ny ain’olon-kafa tsy manan-tsiny. Tsy izay tonga aloha no arahabaina fa izay tonga soa.
