Alasora : Mitohy ny fisafoana amin’ny alina ataon’ny mpitandro filaminana
Mitohy hatrany ny asa fisafoana ataon’ny mpitandron’ny filaminana ao Alasora. Isan’ny antoka iray lehibe amin’ny fampandrosoana tokoa ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
« Raha manjaka ny ratsy dia tsy afaka ny hiaina am-pilaminana ny vahoaka. Hihena ny toe-karena eto amin’ny firenena satria isika samy isika ihany no mifanabotry eto. Mila ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka ary ny mpitondra izany » hoy i Hilarion, mpikaroka mikasika ny fandrosoana maharitra. « Miezaka hatrany ny kaominina miaro ny vahoaka sy mitondra filaminana. Azontsika atao ihany koa ny manantona mivantana ny zandary sy ny polisy eto Alasora ary izahay mpitondra » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy.
Misy tombony tokoa ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana tahaka izao. Hiaro ny vahoaka sy ny fananany rahateo no antom-pisian’ny mpitandro filaminana.
