Pays-Bas : Tetezan-drano ny Aquaduct Veluwemeer
Raha ny lalana ny eo ambon’ny rano diia mifanohitra amin’izany indray ny Aquaduct Veluwemeer. Ny rano indray ny azo no eo ambon’ny lalana ary natao hampitan’ireo sambo kely.Ao Pays-Bas no ahitana io tetezan-drano io, ao amin’ny tanànan’i Harderwijk any atsinanan’i Amsterdam. Mirefy 25m eo ny halavan’izy io tetezana io ary 3m ny halaliny. Tamin’ny taona 2002 izy no nisokatra ary mandalo ny lalàna N302.Nilàna simenitra 22 000 metatra toratelo teo ho eo ny fanamboarana ny Aquaduct Veluwemeer. Nila « palplanche » vy maro mizaka ny lanjan’ny rano sy tsy hampivoaka azy ao amin’ny lalàna ambany ihany koa izany
