SocialTatitra

Dubaï : Dibo-drano ny renivohitra, nikatona avokoa ny toeram-pianarana sy ny sekoly

Tsy nisy fitsaharana ny rotsak’orana tao Dubaï sy Emirats arabes unis tao anatin’ny 24 ora. Vokany dibo-drano ary voatery nanatsahatra ny fivezivezena rehetra ity firenena ity. Ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao an-toerana, dia nikatona ary tsy nisy sidina nandeha ny talata teo. Anisan’ny loharanon-karena an’ny firenena Emirats ity seranam-piaramanidina ity, izay nisy sidina maherin’ny 100 no nandrasana ny talata teo, kanefa naato nandritra ny 25minitra noho ny fikorotanana nentin’ity andro ratsy ity tao an-toerana. Ankoatra izay, nikatona ihany koa ireo sekoly ary toeram-pivarotana maro no tondraky ny rano, lalana maro no simba.  Tranga tsy fahita firy ity niseho tamin’ity herinandro ity satria anisan’ny tanàna maina (désert) ity firenena ity. Lasibatra tao anatin’izany tondra-drano izany ihany koa ny firenen’i Golfe, Bahreïn, Qatar ary Oman izay namoy olona miisa 18.

Laisser un commentaire