ActualitésTsidika

Alasora : Tratra ireo mpangalatra kisoa

Mpangalatra kisoa, avy any Ibozaka, fokontany Ampanobe, kaominina Masindray no saron’ny zandary avy amin’ny Brigadin’Alasora. Ny alin’ny 11 aprily, hifoha 12 aprily teo no nisehoana halatra kisoa tao Alasora, araka ny voalaza.

« Kisoa miisa roa no very tamin’io alin’ny 11 aprily io. Voasambotra tamin’ny alahady teo ireo tompon’antoka tamin’izany fangalarana izany noho ny fanomezam-baovao avy tamin’ny olon-tsotra sy ny fahaiza-manaon’ny zandarimaria » hoy ny avy amin’ny zandary ao Alasora.

« Tena ilaina fahamailona izao fiainana izao satria tsy ampoizina ireo mahavanon-doza fa ny mpiray vodirindrina aminao ihany. Ilaina ihany koa ny fanaraha-maso ny manodidina. Mendrika ny sazy entitra ireo mpangalatra tahaka izao mba hamaizana azy » hoy i Hary, renim-pianakaviana.

Mpisakaiza no nanao izao fandikan-dalàna izao. Mbola tratra tao amin’ny tranon’ilay vehivavy, tao Masindray moa ireo kisoa nangalariny.

Laisser un commentaire