ActualitésTatitra

France : Nahatratra ilay fanaovam-baksiny olona 40 tapitrisa i France

« Mponina 40 tapitrisa no nisitraka ny fanaovam-baksiny » hoy ny filoha Emmanuel Macron ny alatsinainy 26 jolay teo. Niantso ny rehetra hanoy io ezaka io ny tenany « miara-mandresy ny ny tsimok’aretina isika, ndao ho toizana ny hezaka » hoy izy. 60% ny mponina ao France no efa nisitraka io fanaovam-baksiny io.Mifantoka manokana amin’ny fanamafisana fanaovam-baksiny ny governemanata Français mba hanakanana ny firongatrin’ny valan’aretina Covid-19 indray noho ity variant Delta ity. Vaksiny 50 tapitrisa indray no ezahina tratrarina hatramin’ny faran’ny volana aogositra izao. Araka ny tatitra farany dia 49,3% amin’ny mponina Français no vita vaksiny fanefitra amin’ny Covid-19 ofisialy saingy tokony hatratra 95% izany araka ny filàn-kevitra siantifika.

Laisser un commentaire